Tongasoa e! Ary misaotra anao.

Satria ny fahatongavanao eto dia midika fa vonona ny hanova ny fiainanao ara-bola ianao.

Maro no mitaraina fa sarotra ny fiainana, fa vitsy no manao toy ny nataonao androany : mandray fanapahan-kevitra hianatra sy hivoatra.

Ity cours ity dia tsy resaka théorie fotsiny, fa traikefa tena niainako nandritra ny taona maro teo amin’ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fitantanam-bola.

Raha vonona ianao hanomboka hifehy ny volanao, dia eto no toerana tsara indrindra hanombohana izany.

Raha te hiala amin’ilay fiainana “miasa andro aman’alina nefa tsy mandroso ara-bola” ianao,

dia mila mianatra ny fomba fitantanana vola am-pahendrena, ny famoronana fidiram-bola maro,ary ny fananganana harena maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara. 

🎥 Cours vidéo feno 

📲 Azo jerena amin’ny téléphone sy ordinateur

🔁 Fidirana maharitra, tsy voafetra 

Fa maninona ity cours ity no tsy tokony ho lavinao ?

Teny malagasy tsotra – tsy feno voambolana sarotra, fa ohatra tena iainana eto Madagasikara.

Tena azo ampiharina – tsy theoria boky, fa traikefa azon’i Rafenitra avy amin’ny asa sy orinasany.

Mifantoka amin’ny vokatra – tanjona ny hanampy anao hanova ny toe-bolanao 

Mety na vola kely aza – tsy mila manana “capital” be vao afaka manomboka.

Ho an’iza ity cours ity ? 

MPIANATRA

Te hanomboka amin’ny làlana marina amin’ny vola, tsy hiditra amin’ny fiainana olon-dehibe efa tototry ny trosa sy fandaniana tsy voafehy.

SALARIE

Miasa mafy isan’andro, fa mahatsapa hoe tsy ampy mihitsy ny karama,manjavona ao anatin’ny herinandro ny vola nefa tsy fantatra hoe lasa aiza. 

ENTREPRENEUR

Manana hevitra sy asa atao, fa mila rafitra mazava amin’ny vola, mba hampandeha ny orinasany tsy ho “may vola” foana.

Inona no tena ho hainao rehefa vitanao ity cours ity ? 

1. Fitantanana vola am-pahendrena 

Hahafantaranao ny tena fikorianan’ny volanao, ny fomba fanaovana budget planner mahomby, sy ny paikady hanesorana ny “vola tsy hita lany” amin’ny fiainana andavanandro. 

2. Fomba hanombohana fandraharahana kely 

Hahazo hevitra sy paikady amin’ny business azo tanterahana eto Madagasikara, ary ny fomba hanombohana na dia amin’ny vola kely aza  avy amin’ny zavatra efa eo am-pelatananao. 

3. Mindset ara-bola sy fandraharahana 

Hianatra ny fomba fisainana manova fiainana : ahoana ny fomba fisafidianana olona atokisana, ny fiomanana amin’ny risika, ary ny fomba hananganana faharetana amin’ny asa rehetra. 

Henoy aho vetivety alohan’ny hanapahanao hevitra 

Izay lazain’ireo olona efa nanaraka ny zavatra zarain’i Rafenitra 

⭐️⭐️⭐️⭐️⭐️

“Miasa efa 5 taona aho, nefa tsy nahatsikaritra mihitsy hoe aiza no mandeha ny karamako.

Rehefa nahita an’i Fenitra sy ity cours ity aho, dia vao tsapako ny hadisoako.

Ankehitriny, manana budget planner aho, ary afaka mitahiry isam-bolana.

Tsy mbola tonga lafatra, fa efa mahita fivoarana hita maso.”

Mamy, 28 taona, mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina 

⭐️⭐️⭐️⭐️⭐️

“Nandritra ny taona maro aho no niezaka hanomboka business, fa tsy naharitra.

Ity cours “Mamorona Harena Maharitra” ity no nanampy ahy hahatakatra fa tsy ampy fahalalana sy rafitra no olako, fa tsy kapitaly. Ankehitriny, efa manana plan 90 andro mazava aho, ary manomboka mahafehy ny vola miditra sy mivoaka.”

Fara, 32 taona, mpandraharaha 

⭐️⭐️⭐️⭐️⭐️

“Mpianatra eny amin’ny oniversite aho, ary tsy mbola nisy nampianatra anay momba ny vola toy izao. Rehefa nijery ny cours an’i Fenitra aho dia tsapako fa tsara kokoa ny mianatra mialoha toy izao, satria ny fahalalana azoko dia hanampy ahy tsy ho voafandrika amin’ny trosa rehefa hiasa aho. Tsotra, malagasy, ary tena misy dikany.”
Tiana, 22 taona, mpianatra

Inona no azonao ao anatiny ? 

  • 🎥 Cours vidéo feno – mizara ho modules mora arahina


  • 📒 Support PDF + drafitra hanampy anao hampihatra tsikelikely


  • 🔁 Fidirana mandrakizay – afaka miverina mijery rehefa tianao


  • 💬 Fanohanana – afaka mandefa fanontaniana amin’ny mail na amin’ny pejy Facebook

Vidiny manokana ho an’izao promotion izao 

  • 🔥 PROMO MAMORONA HARENA
    99 000 Ar ➜
    39 000 Ar

    Cours vidéo feno + accès maharitra + drafitra 

Garantie :

  • Raha tsy mahafa-po anao ilay cours ao anatin’ny 48 ora aorian’ny fividianana,
    dia afaka mangataka famerenam-bola tanteraka ianao, tsy mila manazava lava.

Fanontaniana matetika mipetraka 

Ahoana no ahazoako miditra amin’ilay cours ?
– Rehefa avy nandoa ianao dia hahazo lien automatique amin’ny mail-nao na amin’ny SMS/WhatsApp.


Mila ordinateur ve sa ampy téléphone ?
– Ampy tsara ny smartphone. Raha manana ordinateur ianao dia vao mainka mety kokoa, fa tsy voatery.


Misy fetra ve ny fotoana ahafahako miditra amin’ilay cours ?
– Tsia. Manana fidirana mandrakizay ianao, afaka miverina mijery rehefa tianao.


Inona avy ny fomba fandoavana ?
– Afaka mandoa amin’ny MVola, (
+261 38 61 925 53).

© 2025 – Rafenitra Andrianaivo

Cours en ligne : “Mamorona Harena Maharitra Eto Madagasikara”

📞 +261 38 61 925 53

📘 Facebook : Rafenitra Andrianaivo